REHEFA HARATSIANA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA HARATSIANA...




Rehefa haratsiana
no feno ao am-po,
tsy mba faniriana
ny hitia re no to !




Rehefa haratsiana
no asa eto an-tany,
tsy miaro fifaliana
izay toky sesilany.




Rehefa haratsiana
no aely hahatafita,
tsy tonga fitahiana
ny ratsy maro vita.




Rehefa haratsiana
no marina sy mety,
zakao fa fahoriana
no ho avy sy hitety.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
980 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2365