REHEFA HO TO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA HO TO




Rehefa ho to
ny faniriako
dia hanjary lo
ireo fijaliako.



Rehefa ho to
ny fitiavako
dia hanan-jo
iny vavako.



Rehefa ho to
ny fitoniana
dia hisotro ro
izay iniana.



Rehefa ho to
ny tarigetra
dia ho afa-po
sy etsetra...



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
220 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112