REHEFA ISIKA ROA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA ISIKA ROA





Rehefa isika roa
no miray fanahy
amin'ny fiainana
dia marina tokoa,
tsy azon' ahiahy,
fa iray fisainana.




Rehefa isika roa
no miray tigetra
amin'izay aleha,
inoako tsara koa
fa mitovy toetra
masina eto ange.




Rehefa isika roa
no miray safidy
amin'izay ekena
dia ho zava-tsoa
hita ho sarobidy
iny fandresena.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1148 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119