You are here: home > Vetso

REHEFA LEHIBE - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






REHEFA LEHIBE





Rehefa lehibe
ny alahelo misy,
tsy afa-manome
ny fitia, indrisy.




Rehefa lehibe
ny latsa namely,
tsy afa-mandre
iny feon'angely.




Rehefa lehibe
ny ozona nafafy,
tsy afa-mandeha
ny hetaheta mafy.




Rehefa lehibe
ny ratra nahavoa,
ny fahendrena re
ny mandao tokoa.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha