REHEFA MINO - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
REHEFA MINO
Rehefa mino,
misy fahagagana
ka halamino
ny saina mitana.
Rehefa mino,
misy famonjena,
ka hamasino
izany fa harena.
Rehefa mino,
misy fahatokiana
ka hamarino
tsy ho fanahiana.
Rehefa mino,
misy fanomezana
ka halalino
ho famehezana...
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 19/09/2021
Mpamangy : 156
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MANDOKONA EO AZA...
TSY MANDEHA
ITOKIANA
MILA FAHARETANA
FIRENENA INONA ?
HARENDRINA HAZAVAO !
ALEO KOKOA
HONTSA LAVA
TSY AMINAO