REHEFA MIRAY HINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MIRAY HINA




Rehefa miray hina
isika samy isika
dia hisy fitahiana
eny hanjopiaka.



Rehefa miray hina
hahasoa ny tany,
mba firahalahiana
no hisy sesilany.



Rehefa miray hina
hanova ny ratsy
dia tsy ho fijaliana
ny atsy ho atsy.



Rehefa miray hina
hamaha olana
dia irony fitokiana
hisy any volana.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
303 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 02/07/2024 20:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0182