REHEFA MISY VEHIVAVY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MISY VEHIVAVY





Rehefa misy vehivavy
'tony fiainan-dehilahy
dia maivamaivana avy
ny tebiteby sy ahiahy.




Rehefa misy vehivavy
manohana ato aoriana,
tsy moramora manavy
fa manam-pitoniana !




Rehefa misy vehivavy
manampy tsisy farany,
faly be ny mpianakavy,
vita hira itony anarany.




Rehefa misy vehivavy
mitsinjo am-pitiavana,
na ny hena tsy matavy,
tiana foana, rahavana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
542 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/03/2022 12:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106