You are here: home > Vetso

REHEFA MITAKY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



REHEFA MITAKY





Rehefa mitaky ny mpiasa
'zay karama fa tena mila
dia atao foana ho lahasa
ny mamoaka miaramila.




Rehefa mitaky ny olona
ny zony mba tsy ho dila
dia tsy ilainy hitolona
ka amoaha-miaramila.




Rehefa mitaky ny maro
'zay rariny tsy mitanila
dia tsy mba mahatsiaro
ka amoaha-miaramila.




Rehefa mitaky ny hafa
'zay vonjy tsy hahagila
dia vao mainka mijafa
sy amoaha-miaramila.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha