REHEFA NY FIANARANA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA NY FIANARANA...



Rehefa ny fianarana
no tsy mba isasarana,
atao ambanin-javatra
sy ankahalaina fatratra
dia aza asiana nenina
rehefa mipenipenina !



Rehefa ny fianarana
no tsy mba nanitarana
ny soa tsy mantsy ilaina
ho entintsika miaina
dia aza taitra intsony
ra'toa tsy lasa ambony.



Rehefa ny fianarana
no tsy mbola iangarana,
fa avela an-jorom-bala
vao misy ilay malala
dia aoka tsy hitomany
ra'rendrika avy hatrany.



Rehefa ny fianarana
no tsy mba nanazarana
ny saina anananao
fa "revy" sy lalao...
Tsisy fahagagana
ny ditra re, mazàna !



Rehefa ny fianarana
no tsy mba namaharana
fa nasolo...Nanekena
ny vola aman-karena,
dia 'zay ny anao no vita,
na miseho "mahitahita" !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
1424 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 01/04/2007 23:52
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153