REHEFA SAROTRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA SAROTRA





Rehefa sarotra ny fiainana
dia manamora ny fitiavana :
tsy dia be ny fitarainana,
ny fo izany te hihavana.





Rehefa sarotra ny lalana
dia manamora ny fitiavana :
ny disadisa toa mahalana,
tonga ho azy ny finiavana.





Rehefa sarotra ny tanjona
dia manamora ny fitiavana
sady mbola mahatalanjona
rehefa misy tomandavana.





Rehefa sarotra ny tolona
dia manamora ny fitiavana,
voatefy avy isika ho olona
ary hanetry tena goavana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1240 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013