REHEFA TAPITRA NY FANANTENANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TAPITRA NY FANANTENANA





Rehefa tapitra ny fanantenana
dia hanomboka ny fitomaniana
hipatrapatraka mila hafampana,
n'aiza n'aiza no mba hatoriana.




Rehefa tafitra ny fanantenana
dia hanomboka ny fahaverezana,
resaka ho azy toa mora hofafana
'reo ezaka maro izay nikelezana.




Rehefa tapitra ny fanantenana
dia hanomboka ny hamaizinana
hanarona ange tsy hay horarana
'rony sedra tsy tsara hiankinana.




Rehefa tapitra ny fanantenana
dia hanomboka ny fahafatesana,
toerana hafa no hatao fanjakana
ary hovana re izay fandrefesana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
544 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118