REHEFA TIA NY FIRENENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TIA NY FIRENENA




Rehefa tia ny firenena,
ao ny ezaka tadiavina
izay tsy maintsy ekena
na tsy mba azo lavina.



Rehefa tia ny firenena,
mahay mamaha olana
no hafatra azo omena
tsy ho maizim-bolana.



Rehefa tia ny firenena,
misy andraikitra takina
hampiova ny tangena
ho fivoarana mangina.



Rehefa tia ny firenena,
misy adidy izay miasa
hipoiram-pandresena,
n'inona n'inona kinasa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
645 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012