You are here: home > Vetso

REHEFA TSIROM-PITAHIANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



REHEFA TSIROM-PITAHIANA





Rehefa tsirom-pitahiana
no hisy amin'ny tenako
dia hahalala fijaliana
ny olo-nanenenako.




Rehefa tsirom-pitahiana
no hitobaka amin'izay
dia hahazo fahoriana
'reo nilaza ho mahay.




Rehefa tsirom-pitahiana
no handoko ny tontolo
dia ho tojo fihafiana
'reo nifosa daholo.




Rehefa tsirom-pitahiana
no iainana eto an-tany
dia hahita fanaviana
'reo namely ihany.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha