REHEFA TSY... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY...





Rehefa tsy manaiky
ny fo sy ny saina
dia tonga hanakaiky
ny jaly hozakaina.




Rehefa tsy mipoitra
ny rindra nirina
dia tia mipololotra
ny fahakiviana.




Rehefa tsy miroso
ny lamina tsara
dia avy hisosososo
ny eso ao afara.




Rehefa tsy mijoro
ny vina rehetra
dia ho hita hikoro,
na ny tarigetra.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
650 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113