REHEFA TSY MAMINY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY MAMINY





Rehefa tsy maminy
'zay zavatra nilaiko
dia tsy hita taminy
ny toky nantenaiko.




Rehefa tsy tohany
ny tiako lalandava
dia nanao ny lohany
izy iny no nandrava.




Rehefa tsy lefiny
ny vinavina rehetra,
io fa tsy voarefiny
ny vava be voretra.




Rehefa tsy ariny
'zay efa nifotorana
dia io fa ny mariny
tsy azoko nizorana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
621 1
Fans: mirananirina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123