REHEFA TSY NAHAVITA AZY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY NAHAVITA AZY





Rehefa tsy nahavita azy
tamin'ny zavatra rehetra
dia mandehana re, otazy
ny fahoriana fa efa hetra.




Rehefa tsy nahavita azy
tamin'ny olana nitranga
dia mihetseha ka fohazy
ny misy sao tsy manga.




Rehefa tsy nahavita azy
tamin'ny sedra nahavoa
dia halalino sao ho sazy
tena hahaketraka tokoa.




Rehefa tsy nahavita azy
tamin'ny toky nihantana
dia tsy any ny mokonazy
no hamokatra hatsarana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
551 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0137