REHEFA TSY NIAINANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY NIAINANAO




Rehefa tsy niainanao
'reo zavatra niainako,
aza be safay !...Hajao
ho hafa ny marainako.




Rehefa tsy niainanao
'reo mafy nosedraina,
tsy mba eso no fanao
maro be ka tanisaina.




Rehefa tsy niainanao
ny tsy fisiana marina,
aza mamely fa zahao
ny tokony hotakarina.




Rehefa tsy niainanao
ny adin-tsaina lalina,
aza miebo fa dia sao
tena aizina ny alina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : ahy - fiainana - Aingam-panahy
738 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.19