REHEFA TSY OLONA TSARA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY OLONA TSARA





Rehefa tsy olona tsara
no itokisana
dia hanimba anjara
nanofisana...




Rehefa tsy olona tsara
no iarahana
dia ho ratsy fiafara
ny hibahana.




Rehefa tsy olona tsara
no tiavina
dia be soa voarara
ny diavina.




Rehefa tsy olona tsara
no ananana
dia tsy ho amboara
ny fiadanana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
784 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0173