REHEFA VOLA NO TOMPOINA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA VOLA NO TOMPOINARehefa vola no tompoina,
tsy dia misy ilay fitiavana
fa modimody mba koloina
firahalahiana tena goavana.
Rehefa vola no tompoina,
tsy ao loatra ange ny Avo
fa toa manjary hadinoina
rehefa sambatra sy ravo.
Rehefa vola no tompoina,
ny fitapitaka no kendrena,
ny tsara maro no vonoina
hahazoana foana harena.
Rehefa vola no tompoina,
takontakonana ny marina
ka ezakezahina holotoina
ireo tigetra mba hivarina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
