You are here: home > Vetso

REVO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





REVO





Revo nahazo toerana
ka tretrika ao an-dapa,
vazo tsy hay noferana
nefa ny olona mirapa.




Revo nahazo toerana
ka matin-kambo lava
tsy misy fahataperana
no sady izay nandrava.




Revo nahazo toerana
ka mihemotra ny tany ;
'reo mijaly be fitserana,
mitombo foana hatrany.




Revo nahazo toerana
ka tsy olona sahirana ;
ny izao dia miserana
tsy tokony hifikirana.




Fredy JAOFERA