RIRININA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RIRININA




Hatsiaka be sahady
no avy vao maraina
ka mbola nampitady
ny toera-nafanaina.




Andro mamanala
fa tonga ny ririnina,
hatramin'ilay malala
satry ny hofihinina.




Mamirifiry loatra,
n'aiza n'aiza aleha 
ka mila tafahoatra
ny hatsiaka eto re.




Tany feno vorona
no indro fa mivazo ;
tsisy izay mamorina
fa hirifiry ity no azo.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
856 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/06/2016 11:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148