RY FIRENEKO ! - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
RY FIRENEKO !
Tiako ho anao, ry fireneko,
no handatsahako ny aiko
fa efa tanjona kendreko
ny hanondrotra fa baiko.
Tiako ho anao, ry fireneko,
ny hisian'ny fanambinana
fa faniriana mbola ekeko
ny hanjakan'ny filaminana.
Tiako ho anao, ry fireneko,
'reo rehetra ka haravoana
mbola ho hery na ho seko
rehefa tanim-pandrosoana.
Tiako ho anao, ry fireneko,
ny hasambarana katsahiko
fa ao aminao no fandreseko
tena hampitony ny fanahiko.
Fredy JAOFERA
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 21/06/2021
Mpamangy : 221
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MISY NOFY MATORYAZA MITADY
TSY MOTRAKA
AZA TEHAFINA
GOGOGOGO
RANOMASO MANGIDY
MAMPISALASALA
NY VORO-MISERANA
NY TOKY
NY FEONY