RY TENINDRAZAKO ! (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY TENINDRAZAKO !...





Raha tsy teo ianao, ry teniko,
tsy ho nanoratra ny peniko
fa dia fitaovam-panoratana
tsy azo nanandratana
ny fiteny malagasy
tao anaty taratasy.



Raha tsy teo ianao, ry teniko,
dia angamba ho nafeniko
'reo karazan-kasambarana
rako-tsento sy fiakarana
efa indro voatahiry,
na tsy fahita firy.



Raha tsy teo ianao, ry teniko,
tsy maintsy tonga neniko
ny nanambara sesilany
tamin'ny teny hafa hatrany
ny vetsom-po rehetra,
mbola lafo sy mitoetra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
951 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113