SAFIDIM-PIRENENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFIDIM-PIRENENA





Safidim-pirenena
ny zava-mitranga ;
safidy mahonena
nefa miampanga.




Safidim-pirenena
ny tabataba misy ;
safidy nambolena
ny lainga, indrisy.




Safidim-pirenena
ny manadala lava ;
safidy tsy nomena
ny jiro hanazava.




Safidim-pirenena
ny tebiteby tonga ;
safidy nampihena
ny laza sy kilonga.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
678 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118