SAFIDY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFIDY





Raha tany no niantefa
ny vetsom-po rehefa
namoha fa sarobidy
dia izay aloha safidy.




Raha tany no naboraka
ny mamy tsy natoraka,
satry foana handidy
dia izay mbola safidy.




Raha tany no nambara
fa any ihany no anjara
hamotika ahy ny ngidy
dia tao lava ny safidy.




Raha tany no narindra
'zay lalaina indrindra,
tsy tery eto na adidy
dia izay koa re safidy.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
2071 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/07/2018 14:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116