SAMBATRA (2) (Fredy Jaofera)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA





Na ratsy aza ny vintana
ka tsy ahitana fintana
mitobaka hanjonoana
ny tiana ho haravoana
dia sambatra aho, malala
raha eo ianao tsy miala.




Na ratsy aza ny andro,
toa tsy be masoandro
mitondra ny hazavana
sy izay mbola hafanana
dia sambatra aho fa arira
raha eo ianao mba mihira.




Na ratsy aza ny lalana
ka mila ho mahalana
vao mba misy tsaratsara
dia izao no azo ambara
sambatra aho, ry tiako,
raha eo ilay fifaliako.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
618 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 08/06/2020 18:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201