SAMBATRA NY FIAINANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA NY FIAINANA





Sambatra ny fiainana
atomboka amin'ny fitiavana
sy itoeram-pisainana
mikatsaka lava ny hihavana.





Sambatra ny fiainana
arahina ezaka marimarina
fa tsy be fitarainana
vao potraka na mivarina.




Sambatra ny fiainana
misy hafaliana mipoipoitra
fa tsy ny fahalainana
no avy sy ambarako tsotra.




Sambatra ny fiainana
manana anao tsisy farany
ary tsy ny fangainana
no velona na koa ararany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
836 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117