SAMY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMY



Samy hijinja
izay nafafiny
‘reo nandrindra
ny ady mafiny !




Samy hahazo
ny namboleny
ny nampalazo
ny vony teny.




Samy higoka
ny asa ratsiny
ny nilokaloka
fa tsy vatsiny.




Samy hahita
ny hasasarany
‘reo nahavita
tsisy farany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1041 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012