SAMY MANANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMY MANANA





Samy manana ny vintany,
samy manana ny fintany
ka tsy afaka ny hitovy
ny ho azo re, tsarovy.




Samy manana ny tsarany,
samy manana ny tarany
ka tsy afaka ho sahala
ny vazo matoa miala.




Samy manana ny tanjony,
samy manana ny anjony
ka tsy afaka ny hiaraka
rehefa eso no miraraka.




Samy manana ny valany,
samy manana ny lalany
ka tsy afaka ny hitoetra
izato foko manjoretra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
760 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123