Ampidiro aloha ny tenimiafina
SAMY MITADY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMY MITADYSamy mitady fahasambarana,
na ny tsara na ny ratsy,
saingy tsy hahazo fitsaharana
ny nanota tatsy ho atsy.
Samy mitady fahombiazana
ny meloka sy ny marina
saingy eo avy dia efa tazana
'zay lasa sy mivarina.
Samy mitady hanan-karena
ny miasa sy ny kamo
saingy nofy tsy hay fefena
ny an'ilay olo-mamo.
Samy mitady izay hahasoa
ny hendry sy ny adala
saingy miavaka eny moa
izay izy na izay hala !
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
Fans:
endrika01
Commentaires
sff
(
16/09/2008 06:41)
hihihi mahafinaritra
