SAROBIDY RE (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAROBIDY RE




Sarobidy re, ny firenena
ka aoka tsy hihenahena
hanarina azy fa sahaza
amin'ny asa ka mifohaza.



Sarobidy re, ny firenena,
na mahakivy mahonena,
ovay, ry zareo, ny tantara
hivoaran'i Madagasikara.



Sarobidy re, ny firenena,
aoka tsy hohosihosena
fa isasarana isan'andro
vao avy ilay masoandro.



Sarobidy re, ny firenena
ka tsy tsara hambolena
izay rehetra fihemorana
rehefa ilaina hifotorana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
178 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112