SAROTRA NY LALANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAROTRA NY LALANASarotra ny lalana
misy fahamamiana
hamirapiratana
rehefa nisy fihafiana.
Sarotra ny lalana
misy fahatsiarovana
rehefa mitantana
ny sedra nolalovana.
Sarotra ny lalana
misy fahasambarana
rehefa mahalana
ny toky izay nafarana.
Sarotra ny lalana
misy fahalehibiazana
tonga mivantana
vao ho fahombiazana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
