SAROTRA NY MIERITRERITRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAROTRA NY MIERITRERITRA





Sarotra ny mieritreritra
matoa ny olona mitsara
tsy mba manan-kevitra
ka dia izao no miafara.




Sarotra ny mieritreritra
matoa ny olona mamely,
tsy azony ka dia tezitra
ireo nofinofy tiany hiely.




Sarotra ny mieritreritra
matoa ny olona mifosa ;
tsy hainy ny mandefitra
rehefa ratsy no misosa.




Sarotra ny mieritreritra
matoa ny olona mibaby
ny olana, na ao an'efitra
na any ivelany izy jiaby.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
719 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124