You are here: home > Vetso

TAIRINAO NY FOKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





TAIRINAO NY FOKO





Tairinao ny foko,
ry mpandalo vetivety,
ka mampisoko
fitia ange raha mety.




Tairinao ny foko
ka midobo-pifaliana
sy te handoko
'reo nofy tsy zovina.




Tairinao ny foko
ka mientana tokoa,
dia mampitoko
hetaheta ihany koa.




Tairinao ny foko
ka te hanaraka avy
fa mba tsy foiko
matoa re miangavy.




Fredy JAOFERA

Hevitra mandeha

Mamenosoa (23/02/2021 14:34:24)

Tena tiako