You are here: home > Vetso

TANTELY AFA-DRAKOTRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



TANTELY AFA-DRAKOTRA





Tantely afa-drakotra
'reo harem-bahoaka :
ao anatin'ny sarotra
nefa misy tafavoaka.




Tantely afa-drakotra
ny tanindrazantsika,
misy dia mamarotra
matoa aho masiaka.




Tantely afa-drakotra
'reo mamy sarobidy
nefa tsy mamatotra
na mampangidihidy.




Tantely afa-drakotra
ny zava-tsoa rehetra ;
tsy fahefana matotra
no misy na mitoetra.




Fredy JAOFERA