You are here: home > Vetso

TARARAKA ANEFA... - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



TARARAKA ANEFA...





Tararaka anefa
mitady ny soa ;
ny izao dia efa
manaloka moa.




Tararaka anefa
ny nofy ririnina,
tsy hisy hiantefa
fa tsy ambinina.




Tararaka anefa
be hambo loatra,
injao mirefarefa
fa tsy mivoatra.




Tararaka anefa
'reo asa tsy vita,
korana no alefa,
na dia tsy tafita.




Fredy JAOFERA





Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 19/09/2021
Mpamangy : 122
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

LASA NY VORONA
HOY
TSY ATAOKO SAKANA
INDRAY ANDRO IZAY
REHEFA MATIN-KAMBO
NY HAZOKO
HALAVIRANA
VERY LANJA
TADIAVINA
REVO