You are here: home > Vetso

TENY AN-DALAN'NY FITIA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



TENY AN-DALAN'NY FITIA





Teny an-dalan'ny fitia
no mba nifanenana
ka nandrafitra ny dia
hanam-piandohana.




Teny an-dalan'ny fitia
no nifankahazoana
ka nanova ilay valiha
ho lavi-pisentoana.




Teny an-dalan'ny fitia
no nifankatiavana
ka tsy foiko, matokia,
sy tonga ny avana.




Teny an-dalan'ny fitia
no nitambarantsika
ka tsy lainga fa tabiha
ito raozy tsara bika.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha