TIAVA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAVA





Izay anjakan’ny fitiavana
tsy anjakan’ny haizina ;
fa mahazo fahasoavana
maromaro no tsy laizina.




Izay anjakan’ny fitavana,
tsy anjakan’ny ora ratsy ;
fa mainka aza mihavana
sy mahay mizara vatsy.




Izay anjakan’ny fitiavana,
tsy anjakan’ny disadisa
fa mainka aza goavana
ny hisehoan’ny paradisa.




Izay anjakan’ny fitiavana,
tsy anjakan’ny indro kely
fa mainka hitomandavana
ny hamamiana toa tantely.







Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
952 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/05/2009 22:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143