TOETRAN'NY OLONA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOETRAN'NY OLONA




Toetran'ny olona hangata-javatra
ny mody ondry kely malefadefaka,
ka mitandrema no hafatrafatra
sao torantorana voan'ny tefaka !



Toetran'ny olona mitady toerana
ny manambitamby isan'andro vaky,
ka mahaiza mamindra fa tsy ferana
'reo fingampingana mety halaky !



Toetran'ny olona tsy ampy saina
ny tia manakorontana lalandava,
ka aza iarahana fa tsy hita ilaina
no henatra foana tsy hampisava !



Toetran'ny olona tsy ampy ketsa
ny ho be hevitra hahombiazana,
ka ampangino fa tsetsatsetsa
'zato nambara no sady mazana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1112 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/02/2009 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172