You are here: home > Vetso

TOKANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

TOKANA





Maro ny raozy eny an-jaridaina,
azoko ambara sy hay tanisaina,
mahafalifaly raha vao eny ho eny
fa tokana ihany ianao re, ry Neny.




Maro ny vorona misidina ambony
haingon’ny lanitra sy mampitony,
kanefa tsarovy fa na iza miteny :
tokana ihany ianao re, ry Neny.




Maro ny trondro anatin’ny rano
mahavariana ka avia mba tazano,
misosa foana ka mamiko ombieny
fa tokana ihany ianao re, ry Neny.




Maro ny kintana rehefa ririnina
mamiratra lava raha fitimpitinina
sy maharevorevo ’zato fo lavareny
fa tokana ihany ianao re, ry Neny.







Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha