You are here: home > Vetso

TOKY FITAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

TOKY FITAKA




Ahoana moa no inoako
fa tia dia tia ny tenanao
raha mandratra 'tony foko
sy mandentika ahy no atao ?



Ahoana no atokisako
fa ianao no fenomanako  
raha tsy tia ny paradisako
sy tsy mitady izay hiadanako ?



Ahoana no ahafantarako
fa andry tsy ho voasolo
raha mandrava ny tsarako
tsy hipoipoitra manontolo ?



Ahoana no ahatsiarovaka
fa toa tsy foy na sarobidy
raha izay efa tandrovako
tsy ilaina hampiray safidy ?





                Fredy JAOFERA



          
                

Sokajy : Ahiahy

Hevitra mandeha

vetsoko (17/01/2006 14:35:27)

ahoana tokoa moa!!!!