You are here: home > Vetso

Toky fitaka - Fredy Jaofera

Ahoana moa no inoako
Fa tia dia tia ianao
Ra’mandratra itony foko
Sy mandentika ahy no atao ?

Ahoana no atokisako
Fa ianao no fenomanako
Ra’tsy tia ny paradisako
Sy tsy mitady izay hiadanako ?

Ahoana no ahafantarako
Fa andry tsy ho voasolo
Ra’aozongozona ny tsarako,
Tsy tiana hitsangana daholo ?

Ahoana no ahatsiarovako
Fa mbola harena sarobidy
Ra’manda ‘zay mba tandrovako
Sy tsy mikendry hiray safidy .


Fredy JAOFERA

Sokajy : Ahiahy, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha