TOLOM-BAHOAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLOM-BAHOAKA





Mandeha ihany ny tolom-bahoaka
mandra-pahazo an’ireo izay takina
fa tsisy misaina ny mba hitsoaka
na koa hiala, n’oviana n’oviana !



Mitohy ihany ny tolom-bahoaka
mandra-piovan’ny zava-drehetra
fa tsy ho kivikivy na hitady toaka
hanadinoana ny sento sy tsetra.



Miorina ihany ny tolom-bahoaka
mandra-pisindan’izay ady mafy
fa tsy matoritory na mamoaboaka
lainga nambarany ho efa nafafy !



Miasa ihany ny tolom-bahoaka
mandra-pirodan’izay fanjakana
fa tsisy manaiky ny efa napoaka
sy gejagejainy ho azy, mazàna !







Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1441 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116