TOLONA 1947 (Fredy Jaofera)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy dia mafy ity nanoherana
ny fanjanahan-tany
raha ady tsy taka-piheverana
no setriny izany.

Ady mafotaka feno habibiana
nandoza ny maro,
tsy tanty n'oviana n'oviana
ka mbola ampiakaro.

Ady nahafaty an'ireo Malagasy
tia tanindrazana,
voan'ireo tafondro aman-basy
ka tsy nahamazana.

Ady nandravana an'ity firenena
ho resy tanteraka,
ka nahontsa sy nampahonena,
sady nandreraka.

Ady nanimba ny zo aman-kasina
hirefarefa tokoa
an'ity Nosy ambarako ho masina
sy mbola tsy roa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : tantara - Tanindrazana
2998 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012