TOMPO Ô ! (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMPO Ô !...




Ny fiainako anie,
fenoy fiadanana
no vavako ange
tsara hotanana.



Ny tanjoko anie,
tohano mangina
ho tanteraka re
no fiangaviana.



Ny vintako anie,
ataovy mahafaly
hahafinaritra be
tsy toy ny omaly.



Ny ratrako anie,
poteho tanteraka
tsy indray mitete
izao tsiky teraka.




Amena !

Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
67 1
Mpakafy: iheriarilala
Hevitra mandeha
hery ( 29/08/2024 12:16)
Tsy mazava tsara amiko ilay andalana voalohany Fredy. Sao dia hoe "ny vavako" ?
ikalamako ( 31/08/2024 09:49)
Hery : toa mety izao kah, ny fiainany fenoina fiadanana fa ny vavany tsara tazonina sao miteniteny foana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/08/2024 23:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1573