TONGA HO AZY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGA HO AZY





Tonga ho azy ny teny
milaza fitiavana
rehefa mba tia ;
mibosesika ombieny
no fahasoavana
manilo ny dia.




Tonga ho azy ny teny
milaza fahoriana
rehefa mba ory ;
mitobaka be lavareny,
na dia tsy tiana
sy manorisory.




Tonga ho azy ny teny
milaza haravoana
rehefa mba ravo ;
maafinaritra ny eny
no sady ahazoana
ny deran'ny Avo.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
674 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0139