TONGA IRERY (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGA IRERY




Tonga irery ny fahendrena
amin'ny alalan'ny fijaliana
fa tsy zavatra nambolena
vao nivoy fahamboniana.



Tonga irery ny fahendrena
amin'ny alalan'ny fitsapana
fa tsy nipoitra na nomena
vao nitoeran'ny hatsarana.



Tonga irery ny fahendrena
amin'ny alalan'ny traikefa
fa tsy misosoka noterena
rehefa indro fa miantefa.



Tonga irery ny fahendrena
amin'ny alalan'ny fotoana
fa tsy mikiaka ho harena,
Na rahoviana na ahoana ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
401 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0255