You are here: home > Vetso

TONGA SOA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



TONGA SOA




Tonga soa
ny taom-baovao ;
misaora aloha
sy mba derao.



Tonga soa
ny taom-baovao
ka mandrosoa
sy anjakao !



Tonga soa
ny taom-baovao
ka ny mazotoa
no afafy anao.



Tonga soa
ny taom-baovao
ka avy hamoha
izay hifamaho.



Tonga soa
ny taom-baovao,
mitondra voa
sy izay hatao.





Fredy JAOFERA


Sokajy : ahy, Aingam-panahy, Fety

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 04/01/2013
Mpamangy : 846
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MPAMAFA
MITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA
VAVAKY NY FO
MIVAVAHA
MAMOHA SY MANIDY
ASANDRATRA
VALALA VOATANGO
MAHASOA