TONONKALO NY TANTARAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONONKALO NY TANTARAKO





Tononkalo ny tantarako
hatrany am-boalohany
matoa izany ambarako,
na zavatra tsy tohany !




Tononkalo ny fitiavako
mahavariana lalandava
maharavo itony tavako
ka injao manavatsava.




Tononkalo ny alaheloko
mampahory marimarina,
misy be tsiambarateloko
hatrany raha tsy itarina.




Tononkalo ny tigetrako
efa voizina eto an-tany
tsy mba ahitana fetrako
raha toa ka manontany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
932 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115