TONTOLO TSISY BOKY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONTOLO TSISY BOKY





Tontolo tsisy boky,
lavi-pampianarana ;
tontolo tsisy toky
milaza fivoarana.




Tontolo tsisy boky,
banga fandalinana ;
tontolo tsisy roky
azonao iankinana.




Tontolo tsisy boky,
manimba ny hoavy ;
tontolo tena goky
tsy hamiratra avy.




Tontolo tsisy boky,
tsy manoka-tsaina ;
tontolo ka aza loky,
sarotra antenaina.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
591 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/02/2023 20:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0877